You are here: home > Vetso

Tia anao aho rahavako - Rabemarenina

Tia anao aho rahavako
Nefa toa vahotra ny vavako
Ny hanambara aminao ny fitiavako

Matahotra aho mantsy
Sao lavina ilay fitia
Ka tsy ho tantiko mihintsy
Ilay haheno hoe Tsia

Hiezaka aho anefa
Ny hanambara aminao
Fa fitia tsy misy fetra
No hatolotro ho anao

Koa raha sitrakao rahavako
Dia mba raiso ny fitiavako
Fa io no mba ananako

#Rabemarenina 24/03/2019 23:38

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Rabemarenina


Nampiditra : rabemarenina
Daty : 24/03/2019
Mpamangy : 218
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Hametraka hevitra

Midira aloha