FITIA LASANAO (Rado andrianiaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matahotra aho ry tiako,
Hanambara izay hiriako,
nefa tiako ho fantatrao,
ny fitia anatiko ao.

Maratra zary ho fery
raha ho koboniko samy irery
ka lazaiko anao ry malala
ity foko lasa adala.

Aza tsiny re ry tiana
raha nitia anao mangina
fa ndrao hangaina ka voatery
dia naleoko tsy niteny.


RADO ANDRIANIAINA(10-07-14)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1079 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado andrianiaina
Nampiditra : Andry tonokalo
Daty : 23/12/2016 07:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135