You are here: home > Vetso

Angamba - Rado

Angamba hifaliako
   ny volana mitranga
   an'habakaba-manga   ...
Kanefa mbola tiako
   ny masonao mijery
   mibanjina ahy irery
   manganohano ery.

Angamba hafa kely
   ny tsiron-drano
   an'ala
   madio manga~
   lahala...
Fa mamy toa tantely
   ireo molotrao
   manify,
   mitsiky,menafify,
   nanoroka ahy
   mangina:
   mandroatra
   fifaliana!

Angamba koa ho fatratra
   ny kalon'ny antsiva
   manako takariva...
Fa mbola tonga lafatra
   ny hiranao
   ngononina
   mihanta fisamonina
   nitohoka ny sofiko,
   ka zary nofinofiko!

Izao tontolo izao:
   mirindra sy
   voalanto
   fatratra sy kanto..
Anefa,raha ianao
   monja no tsy ao,
   dia izao tontolo
   izao
   no tsoriko ry aina,
   fa tany karankaina.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : famoha
Daty : 16/10/2016
Mpamangy : 2665
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA
DADA
Mahagaga

Hametraka hevitra

Midira aloha