Mahagaga (Rado)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahagaga
F'eto an-tanindrazako aho nefa, tenin'olon-kafa
No takiana mba ho haiko vao mahazo anjara asa
Hamelomako ankohonana .....
Sady izay mitonantonana,
Fa ny vary fotsiko aza nosoloiko ireo dipaina
Vao mihevitra ny saiko fa olona miadan-tsaina
Sy mba feno voninahitra ... Nahita angano ianao, ry taniko!
Fa ny hira tiako indrindra sy tsaroako ho tena mamiko
Dia ny gadona vahiny,
Fa tsy ilay anao fahiny ...
Mahamenatra ahy 'ty izaho, nefa aoka habaribariko
Izay mba fifaliana ho ahy? Mivarotra ny tanimbariko
Hividianako fiara
Angaha tsy efa mamarara,
fa dia efa tsy hita intsony!
He! Jereo ange itony
Trano vitsy mba nahoriko! Raha vao misy iray mitranga
Dia rakofako fanitso. Fa ny tafo tanimanga?
Ny vahiny sendra teny
No mitsiriritr'ireny ...
Aok'izay tsy ho tohizana
Sao manjary mahavizana ...
Fa manitika ny saiko sady tiako ho fantarina
Iza marina
No nanodina ny saiko sy ny foko sy fanahiko
Ka dia nahatonga ahy hanitsakitsaka ny ahiko?

RADO (08/11/71)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
18933 12
Hevitra mandeha
teejay 25 ( 29/09/2015 10:14)
Tena marima ny zavatra nolazain'i Rado eto.
teejay 25 ( 29/09/2015 16:47)
Afaka ampandinihina antsika malgasy rehetra.Fa maninona tokoa moa no eto antanindrazako aho no terena hampiasa ny tenin'ireo vahiny,fa maninona ny ahy no adinoko,fa maninona no tsy maintsy arahiko ny tianireo hoatao sy iainan izy ireo?
Masoandro Mainty ( 16/02/2017 12:39)
Tena mahagaga!Mba diniho ange ireny firenena mandroso ireny e!Inona nonampandroso azy?Moa tsy ny fampiasany ny tenin-drazany?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : A-s Mahla
Daty : 25/03/2015 11:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148