You are here: home > Vetso

Mpangalatra - Rado

Ataoko hoe mpangalatra maha-te ho tia
'nareo mpamoron-kira
Ataoko hoe mpandroba tiako hisakazaina
'nareo mpikalokalo !

Fa firifiry moa ny sary tao am-poko
tsy haiko nolokoina..
Firifiry koa ny embona malala tsy haiko naparasaka
fa nataonareo tena tsisy valaka,
tena tsisy very tamin'izay nosainiko ?

Fa rehefa tia ny foko, toa ianareo indray
no tia ilay notiaviko,
fa nahita hira tena tonga lafatra
tiako hatolotra azy !

Rehefa manina aho dia noloaranao
ny embona ato am-poko, ka toa ianao indray
no manina azy alohako !
Hany sisa heriko, miteny irery hoe :
tahaka izay indrindra no efa tao am-poko
fa tsy tafavoakako !

Nony nalahelo ny tanindrazako aho
ka te hihira ho azy, dia ny hiranao
no nahavoaka indrindra izay tiako hankalazana
ny endriky ny taniko !

Raha voafitaka aho, voafitak'olon-tiana
ka rendrika ao anatin'ilay famoizampo...
Ny hira tiako hatao sy saika noforoniko
hanala ny alaheloko, hay efa vitanao !

Tsy maka sarotra aho, fa isaky ny misy
kalo tiako hilaza ny antsipiriam-piainako
dia izay nataonareo no tonga tsy nantsoina
eo imolotro eo.

Mpamantam-bonona aho, r'ilay mpamoron-kira,
r'ilay mpikalokalo,
Satria 'nareo mihitsy no mpitsongodia
ny làlana nalehako, ka nahita hira
mifanendrika aminy !

Koa angalaro ihany ny ato anaty foko
fa odiako tsy hita,
Fa raha tsy haiko tsinona ny hahita kalo
haneho ny ao am-poko, haninona aho ange
no dia ho saro-piaro ny zavatra tsy haiko ?

Koa angalaro ihany, ka angalaro foana
izay tahirim-poko, ry mpamoron-kira,
Ka tonga dia midira !
Robay tanteraka aho, ry mpikalokalo,
mpitsongodia ny foko...
Ka aza dia mandalo
fa tsy mihidy akory io varavarako io.
Dia misaotra indrindra, nangalatra ny foko!



2 Febroary 1995

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/09/2016
Mpamangy : 4329
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA
DADA

Hevitra mandeha

Masoandro Mainty (16/02/2017 13:27:52)

Tena marina!Izao mihitsy ilay saika hosoratako,hay efa voasoratr'i Rado
Misaotra!

Hametraka hevitra

Midira aloha