You are here: home > Vetso

RAVIN-KAZO MAINA - Rado

         RAVIN-KAZO MAINA

Takelaka efa maina mivolombolom-pasika,
notsofin'ny tadio ka niparitadritaka.
Ravin'alahelo sarotin-kasikasika,
malia, fimora may ka mampangitakitaka.

Misoritsoritra eny ririnim-pahagola,
ny dian-dranon-kazo fahiny lohantaona,
ny mandom-pahavaratra mamenofeno angola,
ny vovo-pararano tandindondindon-tsaona.

Ity tonon-kira ity, dia taolambalon-dravina
tsy aminy intsony ny andon'aina lovany.
Tsy hanitra ho fohina, tsy endrika hotiavina,
nefa mitahiry ny lasa nolalovany.
      
          RADO  

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : hjravs
Daty : 28/04/2015
Mpamangy : 11694
Mankafy : 12
Ankafizo

Tononkalo hafa

RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
MENA
AZA MANADALA SAINA
DADA

Hevitra mandeha

hjravs (28/04/2015 07:33:56)

Hafa mihintsy ny ngeza fa "ravin-kazo maina" dia ahafahany
maneho fonjan-kevitra goavana, mba dinihonareo ange ny voambolana e:
"mivolombolom-pasika", "sarotin-kasikasika", "fimora may", "vovo-pararano, taolambalon-dravina
..., mba hodinidinihintsika namana no nampidirako an'ity tato, f'izaho aloha dia mipao-tsatroka e!

andry 1000 (28/04/2015 07:43:14)

Tsy hanitra ho fohina, tsy endrika hotiavina,
nefa mitahiry ny lasa nolalovany.
henjana le aingampanahy eto a! tafita ny hafatra fa ilay ravina taloha mba tsara ery nefa refa nandalovany ririnina sy ny vanintaona nifandimby dia maina ihany e, ohatra ny zanak'olombelona mandalo ny fahatanorana dia tsy maintsy ho antitra sy maty ary hody vovoka.... henjana le henjana

ranarisondaniel42 (02/06/2017 09:50:25)

ravin'alahelo, sarotinkasikasika.
hevitr'izany:tsiaro tsy satry rapirotsa'tomany

Hametraka hevitra

Midira aloha