You are here: home > Vetso

Rehefa tia - Rado

Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
f'aza mieritreritra ny hilaza izany akory
Tehirizo anaty 'lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin'ny kamory.

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
'Sao ny sarobidy no manjary very hasina
Hiverina impiry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra 'zato ranomasina ?

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
"Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa"

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : Rojoukel
Daty : 07/11/2006
Mpamangy : 10280
Mankafy : 7
Ankafizo

Tononkalo hafa

RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA

Hevitra mandeha

faralisy (19/04/2007 15:34:52)

Marina, ary tena marina mintsy ny voalazan'io tononkalo io satria: misy ny olon amolaza tia,de mamboraka izany fitiavany izany amin'ny olona heveriny ho tiany nefa refa voalazany izany faniriany izany ka manaiky ilay ankilany de mahita ahafa izy de ilaozany ilay olona notiaviny, de very teo ny toky hoe tia, fa raha tsiniloaka izy de afaka tsy nandika ilay voady fa voatana tao am-pony , eny fa na dia tsy niaraka aza izy sy ilay olona noheveriny fa tiany.

Hametraka hevitra

Midira aloha