You are here: home > Vetso

Rehefa tia ianao - Rado

Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory
Tehirizo anaty 'lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin'ny kamory

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
Sao ny sarobidy no lasa very hasina
Hiverina im-piry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra izato ranomasina

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : jokely
Daty : 16/12/2003
Mpamangy : 7012
Mankafy : 12
Ankafizo

Tononkalo hafa

INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA

Hevitra mandeha

osrabn (05/05/2005 18:47:25)

Miombon-kevitra amin'ny mpanoratra aho amin'ny voalazany hoe: "Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa"

rapisoukely (22/06/2005 21:04:22)

Asa anefa fa izaho ilay tsy niteny ny tena tato am-poko ilay olon-tiako no nampisalasa azy ka nangalany olon-kafa hosoloko. Nakomboko ny vavako nohidiko mafy mba tsy hiteniteny foana aho eo anatrehany, ny fihetsiko rehetra kosa anefa dia nataoko fa tsapany fa manambary fa tena tiako izy.
Izy rahateo tsy mba nilaza akory izay tena tao am-pony.

lapino (12/12/2005 04:05:38)

Aleo nefa tiavina toy izay mitia
Ary izay kobokobonina manjary mankahia
Ka hosokafako ny vavako hamoaka izay mavesatra
Hilaza ny fitiavako ho tsara petrapetraka

Mila izany koa ny sofim-behivavy
Satria izay ao am-po tsy misy fantany avy
Ilainy mafy izany mba hahazoany toky
Fa vatsin'ny fitia, na dia odiany voky

;)

ounjasou (13/07/2006 07:39:53)

Ka io arakarak ilay olon-tiana io, raha hitanao fa ampy hanambara ny fitiavana ao am-ponao ny fihetsikao, dia mety ny mangina, raha ny mifanohitra amizay kosa, dia tsara ny miteny , mba hanamafy fototra, mba tsy hanenenana e !

mazanakiki (09/01/2007 22:36:29)

Ilay fitia miteny


Ny foko no mitempo
Mahita ilay fitia
Ity molotro ibitsibitsika anao
Amboraka ilahy fitia

Ilazako aminao izay ao am-poko ao
Raha tsimisy anefa izany
Dia zavam-pohana ihany
Ny fitia fa tsy miteny

Raha mba hitanao matsy
Izay ao am-poko aho……
Dia filamatra iray holazaiko anao
Fitia tsy vaokarakara maty fotsiny eo

Raha tena tia tokoa anefa
Dia ho lazaiko aminao,
fa fitia tsy kilalao noambarako anao
ilay fitia tsy makalao.

Hametraka hevitra

Midira aloha