Satriko (Rado)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be ny zavatra ao an-tsaiko
Rehefa injay hahita anao
Satry foana re, ry Aiko,
hotantaraina aminao ...

Vonikazo
iray nalazo ...
Satriko holazaina anao !
Angano iray mba sendra reko
Hira kely notendreko ...
Satria holazaina anao !
Zazakely menavava
Maha te hanongo lava
Satriko holazaina anao !
Trano rava sady may
teny ambanivohitray ...
Satriko holazaina anao !
Sarin-dreniko fahiny
Sendra hitako ankehitriny ...
Satriko holazaina anao !
ilay isika tratra hariva
Raha nijery an'i Tritriva ...
Satriko holazaina anao !
izany ilay fangitakitako
fony vao ianao no hitako ...
Satriko holazaina anao !
Ny fideran'ireo sakaiza
Ny endrikao hatraiza hatraiza ...
Satriko holazaina anao !
Ny fangatahako miavaka
Ho anao rehefa hivavaka ...
Satriko holazaina anao !
Satriko izao sy izao
Hotantaraina aminao ...

Kanjo lalina, Rahavako
fa voafatotra ny vavako
Nahoana re no tsy voalazako ?
feno angamba ny fitiavako
Ka oroka mangina ihany
sisa nilazako izany !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
13228 15
Hevitra mandeha
Miha ( 31/12/2003 11:02)
Mahafinaritra ny tononkalonao.Ankoatra izay tsara ny maka inspiration amin'ny mpanoratra kalaza fa ny maka tahaka tsy d azo atao e!
zay fa bon courage e!
booboo ( 14/12/2004 09:50)
ny ahy tonga dia oroka be dia be mihitsy no asoloko ny bla bla bla fanaoko aminy rehefa ilay tena feno iny foko fa tsy hitako intsony hoe inona no ho tantaraina azy voalohany :)
booboo ( 14/12/2004 09:51)
MIha>tsy an'i Oully io fa tena Rado no nanoratra io raha fa Oully nitatitra teto @ takelaka fotsiny :)
sofina02 ( 22/05/2006 05:31)
malaza tena mahay manoratra tononkalo ianao ka mba hanoraty tononkalo aho de atovy hoe toavina ny titre zay e! bye
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003 15:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134