You are here: home > Vetso

SATRIKO HOLAZAINA ANAO - Rado


    Be ny zavatra ato an-tsaiko
    rehefa injay mahita anao
    satry foana re ry aiko
    hotantaraina aminao:

Voninkazo
iray nalazo,
satriko holazaina anao
angano iray mba sendra reko
hira kely notendreko
satriko holazaina anao,
zazakely menavava
mahate-hanongo lava,
Satriko holazaina anao,
trano rava sady may
teny ambanivohitray
satriko holazaina anao,
ilay isika tratra hariva
raha nijery an'i Tritriva
satriko holazaina anao,
izany ilay fangitakitako
fony vao ianao no hitako
satriko holazaina anao....

    Satriko izao sy izao
    hotantaraina aminao
    kanjo lalina rahavako
    fa voafatotra ny vavako,
    Nahoana re no tsy voalazako,
    feno, angamba, ny fitiavako?!
    Ka oroka mangina ihany
    no sisa nilazako izany.

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : andry 1000
Daty : 09/05/2015
Mpamangy : 13556
Mankafy : 17
Ankafizo

Tononkalo hafa

Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA
DADA
Mahagaga

Hevitra mandeha

andrinaivopaul2016 (04/11/2016 10:35:46)

Zany ka tena fitiavana e!

Hametraka hevitra

Midira aloha