TETIKA MPANJANAKA (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry olon-tiako
nofidiako !

Isika dia mpifankatia
sy afaka miara-dia
amin'ny andro sy fotoana,na rahoviana na rahoviana
Izany rahateo no dina efa nifanaovantsika
ary tsy miova dika
Izay voasoratra ao anaty sady mandra-pahafaty.

Fa 'ty andro anio ity
raha ankalazaina hoe " Andron'ny mpifankatia "
dia anafarako taranaka
fa tena tetika mpanjanaka
ka hevi-petsy samihafa no lazainy sy hafangarony
asiany sira mba ho larony...
Anefa, ny ao an-tsainy ao dia handafo ny entam-barony :
firavaka sy vatosoa sarobidy tena lafo...
sady ampiany hafetsena mody feno fahendrena,
hoe " rariny raha toa asiana " Andron'ny mpifankatia "
ifanolorany fitia miaraka amin'ny fanomezana,
ka ireo rehetra ireo no atao iray fehezana
ho porofon'ny fitia feno sy mitafotafo "...
Anefa, ao ambadikao, ny entam-barony no lafo!

Ary izay ilay fahavoazana
miditra eto an-tanindrazana
fa jonoina foana isika hankafy sy mba hianoka
na ny tena fandrosoana ny fandrosoana sandoka !
Sanatria toa zaza bado :
ambakaina dia voababo !
Nefa firenena kely faraidiny aok'izany
fa isan'ny mahantra indrindra sady ranbony eto an-tany.

Koa aza gaga ianao, rahavako,
fa ny ahy- ny fitiavako
tsy mba nanendrena andro vao tsaroana fa mamiratra
fa isan'andro isa'andro tena tsapako mihiratra
satria velona ao anaty sady mandra-pahafaty.

RADO
12 febroary 1999
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
9209 1
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 24/06/2021 10:15)
Mampihomehy ahy ity tononkalon'i Rado ity :) Na dia miara-paly amin'ny mpakalaza ny fetin'ny mpifankatia aza ny tenako dia mipao-satroka amin'ny fahaizan'i Rado. Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : nandalo
Daty : 26/01/2010 00:50
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104