You are here: home > Vetso

Tsy maty - Rado

Lainga raha hisy izay fanadinoana
Handrakotra ny androm-pitiako voankaso!
Tsy zaza matory io, ka safosafoina
Dia mety ho rendrik'izay torimaso

Fa na hianavaratra na hianatsimo
Ny tsiaron'ny foko tsy lefin'izany
Totofana foana, kanefa tsy hadino
Akimpy ny maso, fa hita ao ihany.

Ny fahatsiarovana tsy azo tsaboina
Fa mamy-mangidy ao anatin'ny fo
Tsy tiana hiherika nefa antsoina
O! afon'ampombo tsy hita fifoha!

Hitsonika ihany ny bika aman'endrika
Rehefa tanehan'ny andro sy taona,
Ny fahatsiarovako anao tsy ho rendrika
Ry ilay notiaviko indray lohataona!


28-01-64

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : Oully
Daty : 05/09/2004
Mpamangy : 5427
Mankafy : 10
Ankafizo

Tononkalo hafa

RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA

Hevitra mandeha

bichette (06/09/2004 09:15:35)

Ray any an-danitra o ! tsy misy zavatra izay tsy hainao.... na dia ny tendrombohitra aza hainao afindra, ny maty hainao harenina...; ny fahatsiarovana hainao tsaboina....
Faingana Ray o ! amen !

booboo (02/12/2004 16:01:41)

fa maninona no ho tsaboina ny fahatsiarovana ?

crrlanto (02/12/2004 19:10:51)

fahatsiarovana tsy maty,
fa mibonoka ao anaty
na hafaliana na toloko
dia tsapa fa misoko
misy ireo minia tsy ahatadidy
saigy tsy afaka mifidy
satria ny tsiaro ,raha mbola velon,aina
dia tsy ho afaka tsy akory sombinaina

toetra (02/12/2004 20:11:59)

TSIARO

Raha tsy maty
Ao anaty
Ny jaly
Omaly;
Raha tadidy
Ny mangidy
Mahamay
Nahafay :
Dia ho diso
Ny ampitso.
Hiahotra,
Hatahotra
Ny tena,
Ary hihena
Ihany koa
Ny risi-po.

Aoka aloha,
Izao moa
Hoy ianao
No aza atao :
"Ny mitoetra
Manjoretra
Manirery
Sy miery
Ao an-davaka
Voaravaka
Tsiaro
Mifangaro
Sy takila
Efa dila".

Raha toa
Moa
Tsy vita
Izay hita
Fa tokony
Ho lokon'
Ny safidy
Lafo vidy,
Dia fantaro
Fa ny tsiaro
No poizina
Tsy ampoizina
Hamoha
Ihany koa
Ny fery
Efa niery :
Io no ankaso
Tsy hita maso.

Misy avo
Nefa lavo;
Misy iva
Saingy hadiva
Hiarin-doha
Hifoha.

Omaly ianao
Zaza vao
Ary injay
Fa hahay.
Ary izao
Ianao
Manoloana
Fotoana
Fisedràna
Dia hahavita :

... TAFITA !

Toetra RAJA, 1995

njivo (16/12/2004 14:27:12)

sambatra ianao izay mahay manadino
ny zavatra misy navalin'ny taona
sambatra ianao f'efa tonga tsy mino
ny zavatra misy ary dia afa-tsaona

razafimikea (26/05/2017 20:32:45)

tiako b io

Hametraka hevitra

Midira aloha