You are here: home > Vetso

Vavaka - Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 06/09/2004
Mpamangy : 3103
Isa : 4


Tompo รด! mafisa fo,
       Ka aza omena valiny aho
       Na mangataka aza anio!

Fa iangaviako Ianao!
Omeno an'ny rahalahiko,
ary ho azy manontolo,
izay fangatako isanandro!

Omeo an'ireo mahantra
izay fitafiko androany
Omeo an'ny maro anaka
ny sakafo anio tontoloko,
Omeo an'ireo sahirana
izay anjara tsikitsikiko,
Omeo ho an'ireo voazioga
ny fahafahako anio.

Avela aho mba hangatsiaka,
Avela aho mba hitofezaka,
Avela aho mba hitomany,
Avela aho mba ho voageja,
na anio fotsiny aza!

Sao izany no hanamaivana
ny am-paham-pahoriana
entiny mandavataona ...
sy ny masoandro takona
lolohaviny isanandro.

sady koa mba hamantarako
ny fitiavantena-disoko,
fa ny ahy hatrany hatrany
no efa niadiako fo,
rehefa mba mivavaka aho,
ka hadiniko ny hafa.

         Koa italahoako Ianao:
         Hadinoy aho, anio!


Hevitra mandeha

bichette (07/09/2004 07:17:41)

?????? tsy haiko izay ho tenenina ....

NyKanto (07/09/2004 08:46:39)

Nanganohano ny masoko teo ampamakiana ity tononkalo napetrakao teto ity ry Oully.

Ny Kanto namanao.

Oully (07/09/2004 10:34:42)

Ry Namako,
Teo am-pahametrahana ity vavaka ity koa aho dia sady mangorangarana ny vatako iray manontolo ... no lasa ny fisainako hoe hatraiza marina aho no sahy mangataka ho an'ny hafa ka minia tsy mijery ny adiko sy ny fitiavan-tena disoko ...
Mahereza avokoa !!!

NB: Tena mahay ny mpanoratra!

yonikafopl (08/09/2004 19:14:27)

misaotra an'i oully fa tena mahatsiaro ho tia tena tokoa ny tena manoloana io vavaka io. Mampahatsiahy izay tokony hatao.

crrlanto (13/09/2004 19:48:02)

zany no tena tononkalo,tena tia ny mpiarabelona azy ny mpanoratra,misy aina ny tononkalo,miaina,tohizo

ledada (08/12/2006 07:13:40)

Hoy i E.D Andriamalala: "fa ho mohaka ny tanora nobeazina t@ sentosrnto sy fangorakorahana.."
Fakafakao sy tsikerao

nabason (04/09/2008 11:51:23)

misaotra anao e

Hametraka hevitra

Midira aloha