Efa atao ny famotorana (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa atao ny famotorana..
Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.
Io ny lapan'ny tanàna, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re: efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi_dalana nizorana, fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.
Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re: efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re: efa tao ny famotorana.
Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!
Raha izany àry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
7203 2
Hevitra mandeha
lebera ( 31/08/2006 14:45)
Tsara be ilay hevitra, moa ve mba misy amin'ireo olona mpitondra ao ambony no mba manaraka ny hevitra toy itony ? sa dia alehantsika fotsiny ireny mba ho fahatsiarovana ny tantara niseho ? mba misy koa ve amin'ireizy ireo no mamaky ity lahatsoretra ity ? hevitra ny ahy ity fa tsy tezitra akory aho na masiaka loatra fa mba tena malahelo amin'ireny satria tsy misy miraika raha tsy efa misy mandopna ny mpitondra sasany indrindra ny fanjakana
RAILOVY ( 07/11/2006 08:56)
raitra dia raitra ilay fanehoan kevitra say mandresy lahatra, misaotra an i Rado nanakorisa izany tato, fa mba tiako ambara dia izao: raha mbola tany koa ny tany dia tsy ho afaka mihitsy ity kolikoly ity fa anjarantsika no mitandrina e
dodo ( 12/01/2007 14:50)
"efa atao ny famotorana " e! asa tokoa raha mba hitan'ireo manam-pahefana ireo tokoa ny zava-mitranga , na dia tsy ereo voateny iero , izay efa modiana tsy tadidiana aza.
miela ( 12/04/2007 22:25)
Mampieritreritra ilay tononkalo. Misaotra an'i Rado de maniry mba ho tonga any amin'ireo tandrify azy ny hafatra e!!
SOBIKA ( 09/05/2007 13:35)
Aiza ho aiza ilay "Ny marina tsy maty fa toa mbola tsy vita foana hatramizao ny famotorana!niara lasa lavenona kila sy may........mbola manjaka ihany izany ny maizina eto antany
vagniticka ( 30/09/2008 14:42)
Izany tokoa ny hoe :
Tsy maintsy misy ny mpamorona
Tsy lavitra eo ny mpandrava
Ilay toe-tsaina no lomorina
Tsy mampandroso fa mandrava
Raha mbola izao no iainantsika
Dia ho lavitra ny aleha
Aza maka tahaka ny any ampita
Fa mbola mideza sy ela be
Raha tsy ilay saina no amboarina
Hatsaraina hatrany am-potony
Dia ho tavela tsy ho tafarina
Ary ho verimaina ny herim-pon'
Ireo olom-be nanezaka ery
ny hanatsara hanabe an'ity tanintsika ty
Na tononkalo, na tononkira n fampianarana mahitsy
Dia mampalaelo fa dia vitsy na azo hambara aza hoe tsy misy
No mahatsapa sy mahafantatra
Fa ho azy anie izany
Ny tanjony ho tongalafatra
Toa mbola ho nofinofy ihany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ledada
Daty : 25/08/2006 09:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155