Mankasitraka i Rado (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mankasitraka eram-po, eran-tsaina amam-panahy
anareo niombom-po, niombon-tsaina hanavotra ahy
Fa 'lay foko izay narofy sady vizana no reraka
indro tonga soa aman-tsara sady sitrana tanteraka.

Na ny manana hatao sy hasoavana miavaka
na ireo izay nitondra tao am-pony, tamim-bavaka
Dia fisaorana mitovy, na firindra na fingadony
no atolotra azy ireo nosoniavin'ilay Radony.

enga ho toetrantsika ka hitondra fiadanana
ny "raha maratra izany vava, miainga hisafo eo ny tànana,
Raha maratra koa ny tànana, io mitsoka eo ny vava"
Na samy hafa toerana aza : mifanampy lalandava.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
7376 6
Hevitra mandeha
miela ( 21/06/2007 23:18)
tsy misy ho kianina.miaiky tanteraka fa mikoriana ao anatin-dRado ny kanto!
karako ( 22/06/2007 18:07)
Misaotra an'I Endrehina be dia be nampiditra io eto. Saingy maika loatra angamba ianao dia lasa misy kianina ny tsipelina sy ny teboka amam-paingo; nefa ny tononkalon'i Andrarezina no nosoratano io.
minione ( 09/11/2007 11:46)
mafnaritra é!izy kosa alou tena grand é!
mimnango ( 28/11/2007 12:51)
tiako daholo ny asatanan Rado rehetra,satria mifona kanto tokoa mahereza
tariman ( 28/05/2008 18:58)
tena mpianatra antsika hifanampy tokoa ny asa soratra toy izao
hachina ( 24/06/2008 11:01)
Zah alou tena valalanine, sy talanjna fa tena prô izy eh!.
vagniticka ( 30/09/2008 14:26)
No comment hoy ny vazaha e!
medalos ( 25/05/2012 05:56)
ny soratra mitoetra. indrindra raha mambabo fo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : endrehina
Daty : 03/05/2007 06:00
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134