Vola fitopolo (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vola fitopolo sisa teo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...
fa maro moa ny ankizy,
ka betsaka izaitsizy
ny vola lany taminy...

tao ny vary laniny,
tao ny vidim-boky, ny sisa sy ny sisa
tsy hainy hotantaraina, tsy hary ho voatanisa,
Nefa koa ny asa, tsy manahoana loatra :
mpandahadohavavy, tsy afaka manoatra...
Ka vola fitopolo sisa teo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin' ny karamany...

"Nefa rahampitso dia krismasy,
k'ireto ankizy,
hoy izy,
sao mangasihasy,
raha toa ka tsy mba manana
kilalao an-tànana...
Ka 'ndeha mba hojerena
aloha izay eny an-tsena..."
Nefa fitopolo sisa teny an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany.

Izatsy moa no inona?
Ary ireto hoatrinona?
hoy ny teny ataony eny rehetra eny.
Mamaly ny mpivarotra : "sivifolo ireny"...
...ireto raha mitambatra, hataoko ariary zato
sao heverinao fa dia mamatovato..."

Dia saikatra ny sainy,
mangotsoka ny ainy,
fa vola fitopolo sisa no eo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...

Nifindra kely indray fa toa nangaihay...
Dia nanontany koa,kanefa,ombieny ombieny
nitovy avokoa ny valin-teny reny.
Ka hany hery sisa nampionona ny fo
tsy handany vola, fa lafo loatra moa...!

Kanefa dia ahoana raha tonga any an-trano
ka hoe mipitrapitra ny ankizy, tsy angano?
Henoiny ny ao avaratra, jereny ny ao atsimo
ka milalao farara sy mampandihy tandrimo...
ny azy irery kosa no 'ndreo mangasihasy,
nefa rahampitso dia krismasy...

Niala nenina izy, kanjo tena sarotra
fa ambany loatra izato fiady varotra.

Hany hery sisa : somaingisaingy nody
Tsy avy hanozon-tena, na koa hiantso tody...
Fa fitopolo mantsy sisa teny an-tanany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany ...


RADO ( 12 Des. 1971 )
--------
Rohy:
15648 20
Hevitra mandeha
dodo ( 12/01/2007 14:43)
20/20
volana1 ( 19/06/2007 14:32)
fiainana izany r'ireto an ! nefa dia misy, ny mpanoratra koa dia tsy lazaina intsony fa mahay e ! raitra !
fidele ( 14/02/2008 08:13)
mampihetsi-po ny fahaizan'ny mpanoratra.mankasitraka tanteraka
matsatsa ( 20/05/2008 19:48)
kanto loatra fa aza voany
walte ( 04/10/2010 06:32)
Crise daholo izany eh!!!!
Imam3 ( 11/02/2015 14:12)
Ho an'ireo manao "davansy" amin'ny karama aloha de tena marina tokoa. nefa io davansy io dia anisan'ny mampiodina ny banky sy mampanankarena ny mpanefoefo
rasamoelina rakotomamonjy ( 12/05/2016 10:43)
... tena mahay ny Mpanoratra! hainy ny mampiseho ny adin-tsaina mavesatra sy fihetsehampo mamaivay an'ireo Ray aman-dReny Malagasy tsy mitaraina tana-miepaka miatrika izao fahantrana novolena mba haharitra eto Madagasikara izao...
narwinra818 ( 30/08/2018 08:40)
mahonena ny misaina izany
hrzhng ( 19/07/2019 12:27)
Rado anisan'ireo Mpanoratra Malagasy tena mahay. Ny mampiavaka azy amiko dia ny fampiasany voambolana tsotra anefa mirafitra tsara be dia lasa kanto tokoa. Tsy dia mampiasa sarin-teny be loatra izy hany ka mora azo avokoa ny tiany ambara.....Indrisy tsy mba nanana fahafahana nitafatafa taminy fony fahavelony..
raims randriamalala ( 29/07/2019 14:15)
TIAKO BE KOSA ILAY VOLA 70 SISA AN-TANANA a! hafa ihany ho i Rado e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : helitiana
Daty : 13/11/2006 08:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163