Fisaorana (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisaorana
Misaotra Dada a!, Misaotra Neny a!
Fa nandaitra tokoa ny hanatra nomena
Lehibe aho ankehitriny sady vita fianarana
Ary nandrombaka foana ny voaloha laharana

Tsaroako hatrany ireo teny mamy
Izay tsara sady tsy nampitomany
Tao koa anefa ny kapoka nangidy
Inoako fa tsy tao anatin' ny safidy

Tonga taona aho ka hangata-dàlana
Andeha irery mba ho zatra làlana
Efa betsaka ny sedra-piainana hita
Nandritra ny fotoana niara-niainantsika

Fisaorana no atolotro ho anareo
Topazo maso ihany anefa sao mitoreo
Tsy ho adinoiko na oviana na oviana
Ka ny hamaly babena anareo foana no ho faniriana
--------
Rohy:
1973 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 28/08/2015 12:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153