Mpinamana (Havana raha misy patsa) (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpinamana (havana raha misy patsa)

Tantara kely izay ho zaraiko aminareo
Mino aho fa maro no efa sendran'ireo
Ka indro ny ahy no amposako eto
Fa mampalahelo sy mahavaky sento

Olona roa lazaina hoe mpinamana ho soa
Tsy miresaka raha tsy izay ho tombon-tsoa
Ny iray miezaka manatsara ny finamanana
Ny andaniny kosa mitady izay maha-pahana

Manao ahoana ianao? inona ny vaovao
Ela be tsy heno fa taiza foana ambarao
Teto ihany fa bitika sy kely e!
Tsy afa nanoatra fa somary teritery

Hono oa ry ise! sao mba mahita asa
Tsy mifidy na andro na alina fa ze aha-tafa
Andraso fa lazaiko ihany ise rehefa misy
Mitadiava ihany anefa mandra-pisy

Vita hatreo indray ny resadresaka
Tsisy tohiny intsony mandra-piresaka
Miandry ny valiny ahafa-po azy
Dia ohatra izany foana izay sendra azy

Fa maninona loatra re no manao toy izany
Hoy aho anakam-po sady malahelo ihany
Izay izany no fantany fa mety amin'ny finamanana
Tsy mampaninona ahy fa za koa Ramiaramanana
--------
Rohy:
1993 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 28/08/2015 12:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099