"Ny Mpanoratra" (Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ho indraina
Ho kaloina sy hohiraina
Ilay tsy manankotonina
Raha tsy ny anaty fiarahamonina

Mpanambara tsy amin'ahiahy Vavolombelona tena sahy
Hampafantatra ny marina
Hamolavola anao ho malina

Fahavalon 'ny tomay
Mpanafoana sorisory
Mahatsabo fo sy saina
Mah-aisotra taraina

Sakaizan 'ny mangina
Mpamohafoha faniriana
Tamana anaty alina
Mampisaina anao ny lalina

Mpikalo ny fanahy
Mpikolo ny fanahy.
--------
Rohy:
1163 1
Mpakafy: Tianakarambato
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana
Nampiditra : Tianakarambato
Daty : 19/11/2017 21:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143