Ny tontolo anatin'ny soratro. (Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tontolo tsy hita vatana
Fa vetsoin'ny fanahy
No avy ka mamantana;
Tontolo tsisy fetra
Fa kaloin'ny fo fitia
No tonga mitoetra,
Ao ny foko tsy matory
Ao ny feoko no mitory
Ao izy azo fohazina
Ao izy no azo hotazina

Tontolo mitontaly isa tsy hain'ny saina
No avy ka miaina
Ao ny saiko no mikasa
Ao ny aiko no miasa
Ao izy tsy voarara
Ao tsy misy mamarara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
778 1
Mpakafy: Tianakarambato
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana
Nampiditra : Tianakarambato
Daty : 19/11/2017 12:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135