You are here: home > Vetso

Aingam-panahy - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Kay ity vadiko ity
tsy hihinanan'kanina
fotsiny mampianjoria
ny saiko hikaroka
ny marina
.
zao ny tena rangahy
lazain'ny olona ho adala
noho ny aingam-panahy
nampanoratra malala
.

aleo ry ainga misaraka aa!
dieny mbola tsy manenina
ataovy toy ny rano raraka
ireny fiarahana tamin'ny penina
.
aleo mifanao mandrapihaona ee!
izay no hitako hahasoa
veloma enao ry sora-poana
novokarin'ambiroa

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha