You are here: home > Vetso

Anatra - rafenomanantsoa santatra

tsy toy io mihitsy no niafarana
raha nanaraka tsara ny hafatra
fa ny anao ny adalana
no natao ambonin-javatra
.
.
tsy efa impiry moa aho no nananatra
sy mba nanoro tamin'ny lalana marina
fa ny vavako foana no toa tatatataka
rehefa miteny aho dia odianao fanina
.
.

zao enao tsy afaka mankaiza
ankehitriny enao dia voa
satria tsy nohenoina ilay nitaiza
izany rehefa mafy loha
.
.
mba henoy ihany re ny tenin'i dada
dia mba araho koa izay anatr'i neny
fa izy ireny nge raha be tabataba
dia izay hahasoa anao no kendreny
.
.
raha toa enao io ka voakapoka
tamin'ny rotsakazo
dia tsarovy fa tsy ho faty antoka
fa fahendrena aza no azo
.
.
ny hoavinao nge no mety ho simba
fa ny an'i dada sy neny efa vita
ka dia mba mahaiza re mamindra
raha tsy te hitondra kitra

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha