You are here: home > Vetso

ANGANO NA ARIRA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Angano miangano
ny ariran'ny Ntaolo
volanin'ny maro
hoe efa haolo
.
arira miteny
ny angano fahiny
miharana ho very
ankehitriny
.
arira miarira
ny volanako omaly
nampatorian'ny
roson'ny tany
.
volana mihimoka
amin'ny arira tsy hay
nilevona anirotra
mandrakizay
.
mivolambolam-poana
ny anganon'olombelona
etoana toy ny moana
mikamenomenona

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha