You are here: home > Vetso

anjara sy lahatra - rafenomanantsoa santatra

Andriamanitra no tompon'ny anjara
ka fadio ny manendry alohan'ny avo
fa ny fiainana hoavy tsy misy mahalala
anio raha mitsiky rapitso mety ho lavo
-
-
mandrasa ny tendrin'ny ray tsitoha
ry olombelona izay manam-pikasana
aza dia miseho ho mpandidy mialoha
fa mbola tsy fantatra izay hiafarana
-
-
malahelo ny velona raha misy fahoriana
kotsan'ny tomany sy latsa-dranomaso
fa tsy toy ireny ve no tokony hifaliana
satria ny nofo atory amin'ny trano vato
-
-
mba miavaka loatra re ny eto an-tany eto
fa tsy mahay mankasitraka ny laha-janahary
raha sendra misy maty dia ny fo feno sento
ny azy ny hasambarany dia sitrana ny marary

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha