You are here: home > Vetso

Any ho any (alahelo) - rafenomanantsoa santatra

misy feon'jazavavy miantsoantso vonjeo
any ho any fa efa anivon'tondrak'afo
misy feom-borondreo mitoloko mitoreo
any ho any mampandatsa-dranomaso
.
any ho any misy olona te hamonjy
nefa tsy afaka ny hanitsaka ny afo mahamay
ny sisa azony atao dia ny mitazana azy mody
any amin'ny fiainana mandrakizay
.
any ho any misy fo mbola misaona
hatramin'izay ka hatramin'izao
angamba mety ho fasa-poana
mandrakizay ny ao anatiny ao
.
any ho any misy migoka hasambarana
eo am-pitaninana afo manamorona ny fatana
fa tsy nahatsiaro akory ny sompatr'iny lalana
namarina ny diany tany anaty hantsana
.
any ho any misy feon'tsasak'alina
nibitsika mangina tao am-poto-pandrenesana
any ho any misy nofy tena marina
nilaza mialoha ny andro ahafatesana
.
any ho any misy orana tsy mety mitsahatra
fa mirotsaka foana mameno ny tava
any ho any misy tsy mino ny fisian'ny lahatra
tonga nandona sy nandravarava

Sokajy : Alahelo, Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha