You are here: home > Vetso

ANY MISY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Any misy tia
maniry hiara-dia
fa sakanan'ny anjara
tsy hifankalala
.
tany nisy vonona
hampiray fo
fa nosarahan'olona
dia nizara roa
.
any misy malala
mitia anao an-doha
fa ranga hanambara
ny hetahetam-po
.
any misy voababo
tamin'ny mamy teny
dia nanaiky ho lavon'
ny toky izay nomeny
.
any misy voaratra
vokatry ny firaisana
dia nanongo-paka
satria nahita faisana
.
any misy lahatra
miankina amin'ny tena
fa natsahatry
ny fo mihenahena
.
any misy tendry
manohitra ny didy
napetraky ny hendry
ho lova sarobidy
.
any misy mandritika
hitia hatrany hatrany
na dia efa napitiky
ny hazany omaly




Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha