You are here: home > Vetso

BASY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Misy basy any
tsy mety ho lany bala
hitifirana ny tany
manoatra ireo adala
.
hasandratrao poety
ilay nivimbina kalaky
nampanjombona vetivety
ireo biby izay namaky
.
any misy poleta
hatrany manatody
manoatra ireo poeta
efa lasa nandeha nody
........................

ILAY NAMONO NY KOLONELY RICHARD RATSIMANDRAVA

Nangina teo ny fitsarana
saika hanao ny fanadihadiana
raha vao nahare hoe
ilay filoham-panjakana
hono no nanao ny habibiana
dia samy tsy nisy nahavolana
ireo mpitsara saika hanao ny famotorana raha voalaza fa ilay filoham-panjakana no naniraka olona nanao saro-tava
hamono ny Kolonely Richard Ratsimandrava teny Ambohijatovo ambony
ka voatifitra tamin'izany ny ambava fony
ataony ahoana tokoa moa
ny hitsara an'Andriamatoa Filoha
naniraka olona hitifitra ny Kolonely
teny akaikin'Analakely
izay olona ambony
ao amin'ny fitondrana sady miaramila
afaka manampona ny fon'izay
mitady hiarira arira
ny tenany ho namono marina
ny Kolonely Richard Ratsimandrava teny Ambohijatovo ny atalata 11 febroary 1975 tamin'ny valo ora alina
dia toy izay ilay marina nafenina
nitranga teto Imerina
ny volana Febroary taona 1975 alina atalata raha nandefa jumbo ilay filoham-panjakana hitifitra ny Kolonely Richard Ratsimandrava
tamin'ny basy maro vava


Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha