ERITRERITRA DIA AMPY (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra dia ampy hamoronana malala
rehefa te hitia ny saina sy ny fo
fotsiny mamboly voninkazo adaladala
ao anaty karandoha
dia milamina ny bandy
fa tsy mila hoe mitady
karazam-boninkazo eny ananonanona eny
fa ao dia misy anjely
Eritreritra dia ampy amonoana ilay lalaina
rehefa te hifindra any am-pasam-bony hafa
fotsiny hongotana ilay ao an-tany karankaina
dia volena ao indray ilay vony zay vao zaka


in boky mbola hoavy takila 34
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141