You are here: home > Vetso

famadihana - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Tampoka ny fiantsoana ry havako malala ka izay no hanafarako mialoha
raha toa ka misintona ahy ny lapan'ny tanana dia izao no ataovy am-po
.
aza malahelo na mandatsa-dranomaso fa sahady ataovy famadihana ilay hiditra ny varavaram-bato
aza asiana famangiana na fiareta-tory fa angalao mozika hameno fifaliana
aza asiana akory izany fiandrasam-paty fa hira gasy zao no hilaiko hameno tanimboly dia ampandihizo ao ilay nanova ny fombam-pahoriana
.
raha toa enao ka mahatsiaro dia ny vadiko fihinina fa any ny fanahiko no mandadilady
ny fiainana eto an'tany akory tsy foana ho ririnina fa aza malahelo ry zoky sy zandry
.
fihino ao an'hefitra ny ranomasonao raha toa ka tsy tana fa izany akory tsy afaka hampiverina intsony ilay nandao ny akany mahatamana
iny zokinao lasa iny dia tsarovy fa manana fanahy mitoetra
vakio ny hirahirany dia ho tsapanao ny tsirom-badiny rehetra
.
ny nofony no matory any ambany rangolahy fa ny fanahiny hatrany mandrongony an'habakabaka
banjino ny lanitra dia ho hitanao ahy fa foana mifoka miafina ao anaty lavaka
.
aza ampidirina any an'kianjan'ny tempoly ny tontoloko raha toa aho ka mody
rarako enao tsy hilanja ny nofoko matory any an'tranon'ny mpamonjy fa tonga dia ento any ambatovoloina fa any no misy ny fiangonan'ireo razam-be taloha dia aza asiana fanandroana fa tsy tian'i nenitoa

Sokajy : fanantenana

Hametraka hevitra

Midira aloha