You are here: home > Vetso

FAMONGIKA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Famongiko ny afo
nitoto ny heloko
famongiko ny fako
namitra ny teniko
.
famongiko ny vitsy
nifaratsaka
famongiko ny kipikipy
nandatsaka
.
famongiko poeta
mibohihy
famongiko mitoetra
malia
.
famongiko ny bohika
fahavalo
famongiko ny vohitra
tononkalo
.
famongiko ny aiko
nanohoka ny peniko
famongiko ny saiko
anaty eritreritro
.
famongiko raha nahy
no ahirihiry
famongiko ny angovy
atao anditra
.
famongiko ny angidana
famongony ahy
famongy miboridana
ny hela-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha