You are here: home > Vetso

fanafodim-pahafatesana - rafenomanantsoa santatra

nampahiratra ny jamba iny fatim-boninkazo
nanongotra ny fakany tao am-po karakaina
nampitempo ny kamory iny rosy mavomavo
natolony iry adaladala maniry an-jaridaina
.
.
nanasitrana ny fasako iny bala fitifirana
nalany tao an-dobo voatifitry ny hakanto
nahavonjy ny fanahiko ireny fandosirana
nataony ity foko efa voatora-bato
.
.
nanazava ny aliko iny jiro indray mipika
narehiny hampitempo ny dobon'andriamanitra
nanondraka ny taniko iny sary iray minitra
nalain'ny masoko mijery maharitra
.
.
nanenjika ny saiko ireny fampidirana
akanga tsara soratra tao an-tokatrano
naharovitra ny lambako ireny fampirimana
sarim-boninkazo miserana mandalo

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha