FARARA MALALA (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vao androany aho no nanoroka anao
ry malalako eto am-pototry ny molotro eto izao
narahako daholo na andro na fotoana
nefa ianao malala tsy misy zaza foana
tsy fotsiny aho nanabotsina fa sady mba nitroka
nefa ianao malala tsy mety ho bevohoka
zao karaza-molotra rehetra rehetra izao
tapitra daholo nomeko handray anao
raha jerena angamba ireo karazan'dranon'aina
dia efa tena maro tsy tambo raha hisaina
mieritreritra aho hoe saody ianao mba momba
sa ve ny anay mihitsy no tsy mba mety ho tonga?
aleo aloha sasaina ny vavanao ry tiana
efa maro ihany mantsy ireo mpamalan-kira
nifandimby nanoroka ny silako fanahy
iza no mahalala raha misy sifilisy sy misy sida
ireo ranon'aina tao anaty lavadavaka
aleo misoroka ihany fa mahafaty ny angatra
in boky mbola hoavy takila 5
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
866 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154