You are here: home > Vetso

fitoriana fitiavana - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

azafady kely ange
misy teny tiako ambara
vetivety tsy elabe
sady tsotra fa manalasala
.
.

ataoko fa mety efa fantatrao
na tsy hambarako intsony
ilay fitia ao anatiko ao
mitempo lava tsy mitony
.
.

tsy sahiko ny hanambara
izany ventsoko ato anaty
notazomina fa tsy tana
dia indro fa nafafy
.
.

tia anao aho izao
hanaja anao hatrany hatrany
mba valio raha sitrakao
fa vonona aho handray izany
.
.

tsy mampaninona ahy aza
na tsy ho tia enao
fa raha sahy milaza am-bava
tsy maninona lazao
.
.

kanefa re toa tsy ho tantiko
raha ho lavinao avy hatrany
ilay fitiavana ato anatiko
mitombo hery hatrany hatrany
.
.

ka dia asakasakao
ny hampitondra fahoriana
ity fo efa babonao
mba raiso fa aza ampijaliana

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

rakotozafi.patrick (12/11/2017 20:29:55)

Mlay e!

rafenomanantsoasantatra (18/11/2017 17:03:06)

misaotra ee

Hametraka hevitra

Midira aloha