You are here: home > Vetso

GINA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Mahagina ny saina
mametso ny embona
mahagina ny eritra
mampanelohelo sary
.
mahagina ny olana
novongehin'ny tsiaro
rehefa kina na sina
dia izay mikalokalo
.
very very ambiroa
dia tankina ny lavaka
mianjoria ny fasana
any amin'ny avelo
.
mahagina ny hanina
mitsiky ao an-doha
rehefa fanininy
ny lasana ny fo

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha