You are here: home > Vetso

HANIM-PITOLOHA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Raha mbola tsy hary akory ny andro voaloha dia sahady efa nitobaka ny hanim-pitoloha nohaninay mianakavy kely tao an-trano tao
tamin'ny alahady alohan'ny taona vaovao
.
nalaina ny labera sy jus efa voavidy
tany amin'ny tsenan'i Tsimangidy
dia najoro teo an-databatra manoloana
anaovam-beloma ny faran'ny taona
.
ny sasany izay tsy mahazaka labera sy toaka
mambosimbosika any amin'ny vary sy laoka
rehefa samy voky dia mitsilailay
eny ambony fandriana ny tsirairay
.
rehefa nigadona ny ora tamin'ny enina
dia nampanenoana ilay feo mamparenina
natao nanakoako eraky ny tanana
mba ho ren'ny maro ny fankalazana
.
rehefa tonga ny alina tamin'ny roambifolo
dia samy nifampiarahaba daholo
somary nalefa avy eo ilay hiran'i Rossy
dia niara-nandihy izahay sy i Bogosy
.
tadidiko tsara tamin'izay andro izay
tsy nisy nivavaka na dia iray
nijanona tao an-trano daholo ny olona
niara-namono ireo akoho amam-borona
.
fankalazana tsy misy ohatran'izany
raha mbola teto ambonin'ny tany
labera vidiana misy firy «gazeau»
ohatran'ireny mantsaka amin'ny «seau»
.
ny tenako sy ireo ankizy sisa no tsy nisotro
na dia labera sy toaka iray sotro
fa izay rehetra nanatrika teo
nataon'ny alikaola nivadi-peo

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha