You are here: home > Vetso

HENOKO - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Halako loatra ny lahatra
tonga nanao tsidim-pahatra
naka ilay iray ranona orana
zaza kely vao enim-bolana
.
henoko nisy niangano
velona hono iray trano
ny anjara no tonga nanohy
iny volana fohy dia fohy
.
henoko nisy lamosina
ohatrany mitady hitrosina
nojereko ny mana-manjo
samy tsy nisy nana-po
.
henoko tao daholo
izy enina amby folo
masina ny tany nohadina
dia nohalavirim-pahoriana
...........
FANAFODY
Any misy fanafody
manasitrana raha akakaizina
ny tenany mandeha mody
any ambadiky ny haizina
.
any misy fanafody
mahajamba raha diso jerena
ny jirony mitsingolo-body
maka sary ny tena
.
raha enao tsentsina
dia ampiakaro ny ony
haka ilay odina aretina
mitsilo avy any ambony
.
any ilay fanafody any
manasitrana raha taninina
ny androny mibongo ny tany
tsy ampy vitaminina


Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha