You are here: home > Vetso

hetraketram-pasana - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

nampangina ny fasako iny fahavaratra
nararany tao am-pasako mandrongony
nampitony ny lasako iny orana nilatsaka
nandringana ny maina tao an-tanimboly
.
nahakarakaina ny fasako iny ranona sakay
natondraky ny fony tao am-pandevenana
nampirotsaka ny orako iny teny mahamay
nafafiny ny fasako voatapo-pandeferana
.
antsoy Andriamanitra mba hanapoka rano
hampangatsiaka ny fo raha sendra mafana
hafaro foana foana ny fasana raha mamo
ho tony amin'izay fa tsy hanao hadalana

Hametraka hevitra

Midira aloha