You are here: home > Vetso

HOZATRO - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Misy feo mampanelo ny nofoko mitsiatra any mipaika ny hozatro madinika
vatana mitana ny andro mangatsiaka nalain'ny hozatro farany kiritika
.
misy rivotra nentin'dririnina any mampamelovelo ny vangavanga manatsoratra
sary voakaly mba tiako ampirimina ao am-pasana te hamboraka
.
nisy fasana nentin'ny sofina alina nanakoako ny hozatro bitika
ny rendriko izany ka saika tsy tafarina noho ny rangako ny fony mangirika
.
misy eritreritra mitraoka ambiroa hamakivaky an-DRafahitana
saina milonjo ny lamban'akoho hanova baholy ny fahajambana

Hametraka hevitra

Midira aloha