You are here: home > Vetso

ILAY VOHITRY NY NOFY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Lasa vohitry ny nofy
ilay fasana nisy rano fotsy
ka sarotra atao malahelo
rakotra fanahy sy avelo
.
lasa vohitra ambiroa
ilay fasana nisy kisoa
nomena anarana hoe
Ambohinofy i Ambondrombe
.
lasa vohitry ny nofy
ilay eritra nivongika rotsy
hanototra sahady ny dobo
tao anaty fasana bongo
.
lasa vohi-pahitana
ilay fasana mahatamana
raha nisy embona sy hanina
tonga nananika alina
… ……………
TEBOTEBOKA

Teboka hono ny tarehy
raha izany rakotra tsy misy
satria ny banga dia be dia be
mameno fenoina ho nify
.
mivoa-dra ny fenoina
efa rakotra nana
raha tsongotsongoina
amin'ny tana-pakana
.
banga hono ny avoana
raha izany tsy teboka izy
satria ny tsy misy efa tonga fotoana
mameno ny vohitra ankizy
.
aretina hono ny karazana
raha izany feno sitranina
satria mitsiry ny fitiavana
na vokatry ny hanina

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha