You are here: home > Vetso

Injany misy feo - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Injany misy feo miantso mafy
hoe avia ry fahavaratra
feo manery ny fitaratra
handrotsaka tomany
.
injany misy feo miantso mafy
hoe avia avia Raorana
feo mangetaheta olana
any an-danitra any
.
injany misy feo miantso mafy
hoe avia ry alahelo
feo manery ny elo
handatsaka ny rany
.
injany misy feo miantso mafy
hoe avia avia ry fiainana
feom-paty
any ambonin'ny tany

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha