You are here: home > Vetso

kely sisa - rafenomanantsoa santatra

mandalo eo foana ireny fiara
mitatitra tsy miato isa minitra
angamba taominy isaky ny vala
fa toa kely sisa dia ho lany ritra
.
miha ripadripaka koa ireo ala
ity nosy ity lasa tany ngazana
mampahonena enao ry gasikara
fa ny akihy kely sisa no tazana
.
tampitra ringana daholo ireo harena
satria lany haondrana any am-pita
angamba hihinana alika ity firenena
ireo omby tampitra tsy misy hita
.
nankaiza ireo harena sarobidy
toy ny vatosoa sy volamena
ny harentsika tampitra namidy
fa tsy misy intsony ny an'ny tena
.
manana harena voajanahary
ity nosy malalantsika ity
fa ireo mpanondrana tsivalahary
no tena mahazo maminy sy fy

Hametraka hevitra

Midira aloha