You are here: home > Vetso

Fiainana mafy - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

ny vola azoko anio rahariva dia lany
hividianana sakafo izay mba voatahiry
ny hanina rapitso tadiavina androany
rehefa mahantra tsy maintsy mikiry
.
ny vady sy zanaka tsy maintsy velomina
ny vola eto an-tanana nefa kely dia kely
hiadiana ity fiainana an-tany ady sy tolona
mihatra amin'ny zanak'i dada sy i neny
.
nahoana enao ry fiainana no mamely mafy
ity tenako manana saina vatana fanahy
mety handry fotsy angamba atsy ho atsy
raha mbola mitohy foana izao manjo ahy
.
fa sambatra kosa irony mpanefoefo
satria tsy mba misaina na misahirana
nefa raha ny fiainako aloha hatreto
dia mbola tsy mety mahita mangirana
.
misy ny olona sasany tsy mba mikiry
nefa tafakatra ambony dia ambony
ny isan'ny fiara ananany misy firifiry
raha harena tsy mahory azy intsony
.
rahoviana vao mba ho toa azy ireny
ny tenako mpitsindroka ireo sisasisa
tsy laniny any anaty bara sy hotely
rakotra hanina sy rano mangatsika

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha