You are here: home > Vetso

MANKALOILOY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Mankaloiloy ny mitazana
vazana samy vazana
mifamahana rora
somary matsora
.
mankaloiloy ny mijery olona
mifandona lavak'orona
manao kileladelaka
toy ny biby pelaka
.
tsy maintsy mahasotro
tontolo iray sotro
ny lavaka faha enina
isaky ny mitelina
.
mankaloiloy ny mijery lavarangana
mifampihinana mitsangana
ery ambody hazo
misy voankazo

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha