You are here: home > Vetso

Manotrika - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Haotriko ny aiko halatsako androany
hamohizako ny aiko rahapitso maraina
bongoiko hafana ny angadin'ny tany
kotrehin'ny alina manongaka ny saina
.
avondroko ny heriko handetsy atody
hamohizako fiainana hitolona sy hiady
tefeko ny foko mba hanampy trongy
ny lela miasa ny tanimbady
.
nadobibiko ny heriko nataoko miavosa
hanovako ny tsirony ho lasa tany lonaka
nahotriko ny haiko mba hamala kotra
nalamo-kohorohoro ho tany horaka

Hametraka hevitra

Midira aloha