You are here: home > Vetso

MIHAFY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Mihafy dia mihafy ny tena
manongotra ny ala ao edena
amin'ny rambaramba mangirana
tazomin'ny naka tsy nihinana
.
mihafy dia mihafy satria
marary ny sintomina amin'ny vy
maranitra toy ny antsy miso
mijinja ny bozaka faha fito
.
mihafy dia mihafy ny saha
misy ireo mpaka fanahy
malama toy ny langiraona
ilay sola be minonoana
.
mihafy dia mihafy ny hoditra
ao ambohitra misy aro hovitra
raha vy foana no hanongotra
ny bozaka vava sy tongotra
………
RAHA HOAVY

Raha hoavy ilay rano marikivy
hanondraka ny tena
dia velaro ilay lanitra ohatra ny ivy
hanelo anao mba tsy hahalena
.
raha lasa ilay tsirona sira
nandena ny vohitra iray
dia piho ny lanitra indray manila
hitaninana afo mahamay
.
raha hoavy ilay rano somitika
handoto ny nofo manganohano
dia piho ny lanitra bitika
handraisana ilay tsodrano
.
raha hoavy ilay rano misotisoty
hanakotsa ny nofo mangasohaso
dia velaro ny lanitra botry
hilatsahan'ilay ranomaso

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha