You are here: home > Vetso

MOLOTRA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Mampangetaheta mafy iny ranom-boankazo misarona voaly avy ao anaty saha edena
mampy te hitohoka ilay dobo kely mando fonosin'doko mena
.
mampy te hamaofy izany ny fidorehitry ny molony ravaravahan'ilay tsikim-penomanana
mampy te hiondana ihany koa ny sorony manjohy ny talatalana
.
mampy te hiava izany ilay takolany malandy somary marihim-pandaingana kely amin'ny teboka tokana
mampy te hanongo ny lelan'angady iny tsindrin'haninkotrana
.
mampy te hisotro izany ilay sombitsombin-drano fefen'ny tsikitsiky
mampy te hilomano ny lela sy ny nify

Hametraka hevitra

Midira aloha