You are here: home > Vetso

MPANGALA-BADIN'OLONA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Hafatra kely hoanareo dahalo
mpangalatra tononkalo
ato anaty tambazotra
dia hoe mijanona ho olo-tsotra
.
fa aza ny vadin'olona
no sandohana ho anao
ry sahy manonononona
ho poeta tsotra izao

maninona raha manambady elahy
fa tsy ny vadin'aliaka no alaina
maninona raha mamorona rehefa
tsy misy fanahy fa tsy ny vadin'olona
no tsy hahaiza miaina
.
rehefa tsy mahazaka lehity
dia mijanoana ho mpankafy a!
fa aza ny vadiko no tolotolomina
aza ny fanahiko no alaina ampakarina
.
eo dia tsy menatra akory ranamana
mametaka ny anarany ery ambany ery
dia avy eo mahazo sary tanana
avy amin'ireo mpitia
.
mahazo teny mamy
avy amin'ireo namany rehetra
hoe tena kanto letsy izany
raha vadina poeta
.
nefa nge dia vadin'ny tena
no mampirehaka an'drangahy ee!
mampahonena
ny toetranao rahalahy
tena marina ee!

Hametraka hevitra

Midira aloha