You are here: home > Vetso

MPIANDRY FATY NODY MANDRY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Vao lasa ilay nandrasana
dia tonga ny fasana
naka ireo mpiandry
olona efa nody mandry
.
raha vao lasa kelikely izy
dia lasa ihany koa ny ankizy
miaraka amin'ny fianakaviana
nanaraka azy avy ao aoriana
.
mihisa sivy ireo nofo ririnina
hita faty tao raha nosokirina
ny iray efa voasingotra aina
tamin'ny alahady maraina
.
nandefa rivotra sy rano
handrodana ny trano
iny loza voajanahary
omaly fito janoary
.
tonga tsy nampiomana
iny rivotra sy orana
namaky fitaratra
feno fahavaratra
.
ÔÔÔ ry ranomaso
aoka izay ny ankaso
fa efa be ny zera
nataonao sy aera
................
REHEFA NY OLONA AMBONY

Rehefa ny ny olona ambony no atao famotorana dia indray andro ihany dia afa-patorana satria izy manana vola sy harena hanambatambazana ireo tia tena
.
rehefa ny olona ambony no manao heloka be vava dia tsy azo tifirina amin'ny basy maro vava satria izy no mibaiko ny mpitandro filaminana dia izay no antony tsy azo hitifirana
.
rehefa ny olona ambony no manao kolikoly dia mody hoe gadraina nefa omena fialamboly any amin'ny toerana lavitry ny adrisa ilay Antanimora tena paradisa
.
rehefa ny olona ambony no mandalo fitsarana dia afahana madiodio satria ambony lalana ireny ilay antsoina hoe tsy maty manota tsy mba tonta kely intsony fa tena hoe tonta

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha