You are here: home > Vetso

Ny antom-pahanginako - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Aza manontany izay antom-pahanginako rehefa enao mitsidika ny toeram-piasako
aza misahirana mandalina ny hirako avy ao an-dava-bato rehefa enao mamangy ny fonja higadrako
.
matoa mangina tsy mivolana ny ara-bakiteny manamorona ny onin'ireny mpankafy
matoa ny saiko very
dia miara-mianjoria
.
matoa aho variana dia efa miakatra izay ny ambiroa avy any Ambondrombe
efa ao ilay fanahin'amboa mitaona ahy handeha
.
hianjoria hiaraka amin'ny fo ho any ankoatran'ny eto amin'izao tontolo izao
hiara haka rivotra amin'ny ao an-tampon'doha
ny ao anatiko ao

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha