You are here: home > Vetso

Ny Fasana - rafenomanantsoa santatra

Ny fasana maka tsy miera na mahantra na manan-karena,na 4mie io na milliardera,ny fasana tsy mba mifidy fa izay tratrany dia mahita mangidy fa ny fasana dia mamely tampoka,tsy misy serasera na koa ady varotra,ny fasana tsy mila fanahy fa ny azy dia nofo ihany fa ireny no sakafo mamy mba ho mora levonin'ny tany



ny fasana tsy mba mampiomana fa maningotra izay tojo fatorana,ny fasana tsy mba mifidy na antitra io na tanora na biby fa izay sendran'ny lahatra sy anjara tonga dia ataony vita tantara,ny fasana no nanamaloka ilay maraina nibaliaka ka nandrakotra aizim-pito sy nampisy rahoana mainty iny vody lanitra iny,ny fasana no namono nahafaty ilay tsy manan-tsiny



ny fasana dia vahoana ihany ilay mangidy tiany ho sotroina fa ireny no mba vokatry ny tany hanoherany ilay hamamiana,ny fasana dia manam-pahavalo : ny tantely sy ny fahavelomana fa ireny raha tsy mahay manidy trano dia singoriny mba ho votsorana.

Hametraka hevitra

Midira aloha